....................

....................

samedi 25 février 2012

HERINANDRO



NAMES OF THE DAYS OF THE WEEK
NY ANARAN'NY ANDRO AMIN'NY HERINANDRO

alatsinainy : Monday
talata : Tuesday
alarobia : Wednesday
alakamisy : Thursday
zoma : Friday
sabotsy : Saturday
alahady: Sunday
The Malagasy names of the days are not written in capital letters.

It's your turn
1-Say what is the name of the day before Sunday,
2-after Thursday
3-between Monday and Thrusday
4- after Saturday
Answers:
1-Sabotsy
2-alakamisy
3-talata
4-alahady

2- Read the following text:
Ny alahady manaraka io anefa, vao maika nihakaondrana indray aho, raha ny kaondrana no resahina. Andro lehibe moa ny alahady any ambanivohitra. Andro andrandraina amin’ny herinandro. Eo no ialan-tsasatra, ihaonana, iresahana eo no iakanjoana madio: ny fivavahana no mody atao anton’izany, nefa raha ny marina dia ambinambiny fotsiny izany. Mba nanao izay mety ny anao lahy tamin’io. Ny asabotsy hariva dia efa mba nihety volo, nojerena ny akanjo sao misy loaka na tata-jaitra, ny kiraro nindramina tamin’i Dada mba efa natao tsara borosy dia edrey! Mba nanao fehitenda avy koa aza.

I Vola. Andry ANDRAINA (1976,7)







(fotoana) ihaonana sy iresahana
(time for) gathering and talking
mihaona sy miresaka izahay (+mivavaka/pray)




(fotoana ) ialan-tsasatra
(time to) rest
miala sasatra aho




mihety volo



Choose the equivalent meaning for the word in boldtype:
3-Andro lehibe moa ny alahady any ambanivohitra.
a-tsara (beautiful)
b-mahafinaritra (agreeable)
c-manandanja (important)
d- lava (long)

4- Andro andrandraina amin’ny herinandro.
a-andrasana (expected)
b-adino (forgotten)
c-tiana (loved)
d-tsy tiana (hated)
answers
3-c)4)a

5-Say what the narrator did on Sunday and Saturday.
Alahady
Asabotsy
m...
m...
m...
m...
m...
m...
Answers:
Alahady: Miala sasatra/mihaona /miresaka/miakanjo madio/ mivavaka
Sabotsy: mihety volo/mijery akanjo/mindrana kiraro/miborosy kiraro.

Vocabulary:
Herinandro: the week/ Faran’ny herinandro: week end
Hariva: afternoon
Kiraro: shoes
Fivavahana: Praying, church going
Mindrana kirao: borrow shoes
Miborosy kiraro: brush the shoes