....................

....................

mercredi 29 février 2012

Kilalao 1





Kilalao

1-Iza no akaiky kokoa ny mpilaza amin’ireto biby ireto : ity vorontsiloza ity, iry akoho iry
Valiny: ny vorontsiloza
2- Antananarivo no renivohitry Madagasikara. Marina sa diso?
Valiny: marina
3-Iza no niteny hoe “hiatakataka aho fa olon-dehibe”?
Valiny: ny ankihibe
4-Fenoy ny banga: “ao … vava ny nify”
Valiny “anaty”.
5-Inona no isa manarakaraka ny dimy
Valiny: enina
6-Manana ariary folo aho, nanalako ariary roa, ariary valo ny ambiny. Marina sa diso?
Valiny: marina
7-Inona no tsy ampy amin’ireto teny ireto “dada…neny”, “zoky…zandry”
Valiny: sy
8-inona ny mifanohitra amin’ny faly?
Valiny: tezitra
9-Inona no lokon’ny lanitra?
Valiny: manga
10. Ny zanaky ny ray aman-dreniko dia anadahiko/rahalahiko, rahavaviko/anabaviko? Marina sa tsia?
Valiny: marina.
11. Inona no tsy afenina ny mpandrandrana?
Valiny: loha sola.
12- Atsimo sy …, andrefana sy atsinanana
Valiny: Avaratra.
13-Iza ilay nototofana tsy may?
Valiny: voalavo
14-Firy ny roa ampiana roa?
Valiny: efatra
15-Inona ny andro aorian’ny zoma?
Valiny: Asabotsy
16-Inona no anarana hafa iantsoana ny dokotera?
Valiny: mpitsabo.
17. Antsiranana dia any avaratry Madagasikara. Marina sa diso?
Valiny : marina.
18-Inona no mamarana ny fehezan-teny? Teboka sa faingo?
Valiny: teboka.
19-Nankaiza ny tanteliko teto?
Valiny: laninin’ny vitsika.
20. Tohizo: isa ny amontana, roa…?
Valiny: aviavy.