....................

....................

vendredi 24 février 2012

ny saka kelin'i Solofo


Ny saka kelin'i Solofo


Manana saka kely iray i Solofo izay tiany tokoa. I Mimi no anarana fiantsoany azy. Saka kely tena mahafinaritra, fa sady mahafatifaty no maneno tabataba eran'ny trano.







Ny volony dia fotsy mangatsakatsaka tsy ahitana pentina kely akory sady malambolambo; ny fihetsiny rehetra kosa mahafinaritra izaitsizy. Izany izy rehefa misasa maraina ange! Iny izy aloha raha vao mifoha fa manatsotra ireo tanana sy tongo-keliny, dia mipetraka misonanina tsara.







Lelafiny amin' ilay lelakeliny mavokely ny tana-keliny iray, dia faohany amin'iny daholo na ilay tarehy keliny, na ireo maso keliny roa maintimainty - izay mamiratra amin'ny alina - na ireo sofiny kely ranga. Averiny imbetsaka izany fihetsika izany, ka tsy mijanona izy raha tsy efa madio daholo ny tenany manontolo.








Vocabulary:

kely : little
anarana : name
mahafinaritra : nice
mahafatifaty : cute
(tsy misy) pentina : spot (less)
fotsy : white
misasa : wash, groom
mifoha : wake up
tongotra : leg
maso : eyes
lelafina: lick
tanana : hand, front leg
sofina: ears
lela : tongue
mainty: black
mavokely : pink


1-What colour is Solofo's cat? a) mavokely b) fotsy c) mainty
2- What colour are the cat's eyes? a) mainty b) fotsy c) mavokely

3) Find the equivalent sentences in Malagasy
a) he licks his legs
b) he stretches his body
c) he wakes up

1) manatsotra ny tanany sy ny tongony izy
2) mifoha izy
3) lelafiny ny tana-keliny

4) Put in the right order the actions of the cat 1 to 3:

Answers:
1) b-fotsy
2) a- mainty
3) a3, b1, c2
4) c2, a3, b1

taken from Régis Rajemisa-Raolina, Etsy Babeko, Ambozontany, Fianaratsoa, 1968, p52.