....................

....................

mardi 20 mars 2012

The malagasy compound words

Lalao tanimanga


Kilalao fanaonay aty ambanivohitra ny manao sarin-javatra mivaingana amin'ny tanimanga. Samy maka tanimanga lena eny an-tanimbary izahay, ary mamolavola izany, ka ny sasany manao sarin'omby, soavaly, na biby hafa koa. Ny sasany kosa manao sarim-borona, sarin-trano, ary misy mahavatra manao sarin-tanàna izay manontolo aza.
Rehefa vita ny sary mivaingana dia ahahinay amin'ny hainandro ho maina tsara. Raha sendra mahita loko izahay dia lokoinay tsara tarehy ireny ka kanto tokoa ny fijery azy. Raha sendra mahita manjarano koa izahay dia hosoranay izany ny sary mivaingana ka mangiloilo mainty mahafinaritra
Rajoelisolo, Tiako ka vakiako, Trano Pirinty Loterana, 1966, p 55.


vocabulary:
lalao= game ( the activity)
kilalao=game (the toy)
tanimanga=clay
mamolavola=to mould
biby=animal/animals
sary mivaingana: statue, sculpture
hainandro: heat of the day
kanto: beautiful

=========

Look at the compound words in the text:
1-two words one next to the other: sculpture sary mivaingana
2-two words linked without changes: Tanimanga= tany+manga/ manjarano: manja+rano (chrome)
3- slight changes: ambanivohitra (ambany+vohitra: country side)/ tanimbary: tany+vary: rice field (n=>m)
4- addition of na (of) with changes of initials and end of word: sarin-javatra: sary-na-zavatra/ sarim-borona: sary-na-vorona/ sarin-trano: sary-na-trano/ sarin-tanàna: sary-na-tanàna: image of something/of a bird/of a house/of a city
5- use of apostrophe: sarin'omby: sary-na-omby; hainandro (hain’andro) hay-na-andro: image of an ox; heat of the day

"""""""""""""""
The malagasy compound words
Summary




Sometimes "na" (meaning "of" ) is added for the tra or ka ending words before k, d, dr, ts, j if necessary.

---------

Exercise
1-Find the original words:
a-faritany (a region)
b-fanekem-pokonolona (a social agreement)
c-oram-batravatra( rain falling thickly)
d-taolan-trondro (fish bone)
Answers:
a) faritra-tany
b) fanekena- fokonolona
c) orana vatravatra
d)taolana trondro

2-Give the compound words:
a) sarotra fo (an irascible person)
b) soratra lamba (pattern of the cloth)
c) làlana ra : (veins and arteries)
d) tetika vola (the budget)
Answers
a) saro-po
b) sora-damba
c) lalan-dra
d) teti-bola: