....................

....................

dimanche 1 avril 2012

Andavabiby: malagasy film (Learn malagasy with films)

Andavabiby

1 corinthians 6: 9-10 Do you not know that ...nor [no]  swindlers, will inherit the kingdom of God.…

Ne savez-vous pas que...les ravisseurs, n'hériteront le royaume de Dieu. 1 Corinthiens 6: 9-10

Moa tsy fantatrareo va fa ny olona...
 mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 1 Korintiana 6:9-10





Comprehension questions


A-General comprehension

1- The young woman has
a) fohy volo
b) lava vola
c) volo tsy lava tsy fohy

2- There were ....men attacking her inside the classroom:
1) telo
b) roa
c) iray

3-There was someone speaking to her. It is the voice of
a) feon-dehilahy
b) feom-behivavy
c) feon'ankizy.

4-Is the woman
a) mipetraka?
b) mifatotra?
c) mitsangana?

5-The woman is retained on a
a) trano
b) sambo
c) fiara

6-The woman realizes that she has been
a) nalaina an-keriny
b) novonoina
c) nokapohina.

Answers:
1-b)-2-b)-3-a)4-b)-5-b)-6-a)

----


B- Detailed comprehension on the extract:

True or False

1- The scenario of the film is based on a malagasy legend, about an invisible village named Andrabeba.

2-The extract is about the kidnapping of a school teacher, named Morgan.

3-The woman, named Betany was kidnapped because Morgan loved her.

4-She could escape with the other prisoner.


Answers:
1-True. The village is nowhere to be found.
2-False. The school teacher's name is Betany. Morgan is her kidnapper.
3-False. She was kidnapped because she was the obstacle to Morgan's access to full power.
4-False. We see nothing like that on the extract.


---


C- Malagasy questions on the film extract:
1-Nalaina tamin'ny tantara angano sy arira Andavabiby.
a) marina
b) tsy marina

2-Aiza Andrabeba ?
a) a) ao Andavabiby no misy azy.
b) b) tsy hita ny misy azy.

3-Inona no nitranga tao ampianarana ?
a) Nisy nanipy fako
b) nisy nanipy zavatra mahasempotra

4-Iza no anaran’ilay lehilahy miresaka aminy ?
a) Malemy
b) Mahery

5-Inona no nitranga tamin’ilay razazavavy?
a) Nisy naka an-keriny izy
b) Nisy nanao an-keriny izy.

Valiny:
1-a)-2-b)-3-b)-4-b)-5-a)
-----


D- Listen and complete with the given words: ( 0:00-3:36)

politika- tantara- faratampony- trano-
nampianatra- natahotra- mpampianatra-

Ity ny (1)..............n'i Morgan. Olona iray anisan’ny nanana ny tanjany ary tena natahorana
indrindra.
(2)................. azy avokoa ny olona rehetra. Na ny mpanao (3).................. na ny mpanakarena.
N’izaniza dia nilefitra teo anatrehany avokoa, ankehitriny kosa anefa dia tsy azony izay
notadiaviny.
Votsotra teo ampelatanany ny hery (4) ...................... Ka izaho Betany izay (5)...............
kely tamin’ny toeram-pampianarana izay no tsy nampahomby ny teti-dratsiny. Ho
tantaraiko anareo eto ary ny fizotry ny (6)........
Toy ny (7)........ ary dia nandeha nampianatra aho. Ary tamin’ izany indrindra no….

Answers:
1-trano-2- natahotra -3-politika-4-faratampony-5-mpampianatra-6-tantara-7-nampianatra

-----

( 4:40-7:45)
Read the following words, remember them while filling the gaps:

azafady/ avelao/ polisy/ vonjeo/ Iza izany?
/ aminao / omaly/ gadra / varavarakely/
sambo / mpaka ankeriny / dray / fanontaniana


- (1) ...........e . Misy maheno ve izaho e? Ampio aho e. A, Vonjeo e.
- E !! mangina!!
- Fa. iza izany? (2) .............. Fa inona no ataoko eto? (3) ........... re aho andeha a. Avelao
re aho andeha a.
- Dray dray dray dray (4) ....... raha nisy hevitra dia efa nataoko.
- Tsy hiteniteny amin’ny (5) ........... re aho na amin’izan’iza a, fa avelao andeha a.
- Efa miteny aminao aho fa tsy misy hevitra izany. Izaho koa ange (6) ........ hoatra anao e.
-An? .(7) ............ ary e, noheveriko fa…......
- Tsisy olana ka! An, Mahery aloha no anarako e. Ary ianao, mba iza e?
- Fa aiza isika izao e?
- Tsy misy (8) ........... angaha ao aminao ao?
- Aaa, Tsy misy mihitsy ato, aoka aloha.
- Ety ambony sambo itsika izao.
-An, ety ambony (9).............? Avelao re aho hody any amin’ny fianakaviako ka! Avelao
aho hidina amin’ity sambo ity.
- Aaa, Manahy mafy aho fa tsy avelan’ireo (10) ................. hidina amin’ity izany ianao. Fa
izao a, Mitonia aloha an, dia maka aina tsara.
- Andeha ho aiza ary isika e? iza no naka ankeriny antsika? Inona no antony?
- Ianao izany koa be (11) ................ be loatra ka. Ho fantatrao miandalana eo ihany ny
marina, ho fantatrao hoe iza no naka an-keriny antsika.
- Ireo bandy ireo aloha dia tsy azo ifampiraharahana mihitsy fa ny teniko (12).......... fotsiny
dia izao: mahaiza mifampiraharaha tsara fa raha tsy izany dia mivadika ry lerony.
- Fa hafiriana aho izao no taty e?
- Tsy haiko, fa izaho koa ange fa tsy mahay andro intsony mihitsy e.
- Fa andro inona isikia izao?
- (13)............. izao ianao no nentin-dry zareo tao amin'io efitra misy anao io.

Answers:
1)-vonjeo-2)- Iza izany?- 3)- avelao-4)- dray -5)- polisy-6)- gadra-7)-azafady-8)-varavarakely- 9)-sambo -10)-mpaka ankeriny-11)- fanontaniana-12)-aminao-13)-Omaly
---

Script in malagasy:

Ity ny tranon’i Morgan. Olona iray anisan’ny nanana ny tanjany ary tena natahorana
indrindra.

Natahotra azy avokoa ny olona rehetra. Na ny mpanao politika na ny mpanakarena.
N’izaniza dia nilefitra teo anatrehany avokoa, ankehitriny kosa nefa dia tsy azony izay
notadiaviny.
Votsotra teo ampelatanany ny hery farantampony. Ka izaho Betany izay mpampianatra kely
tamin’ny teoram-pampianarana izay no tsy nampahomby ny tetidratsiny.
Ho tantaraiko anareo eto ary ny fizotry ny tantara. Toy ny isan’andro ary dia nandeha
nampianatra aho. Ary tamin’ izany indrindra no….
(4:40-7:45)
-Vonjeo e! Misy maheno ve izaho e? Ampio aho e! A, Vonjeo e.
- E !! mangina!!
- Fa... iza izany? Iza izany?
- Fa inona no ataoko eto? Avelao re aho andeha a. Avelao ve aho andeha a.
- Dray dray dray dray dray, raha nisy hevitra dia efa nataoko.
- Tsy hiteniteny amin’ny polisy re aho na amin’izan’iza a, fa avelao andeha a.
- Efa miteny aminao aho fa tsy misy hevitra izany. Izaho koa ange gadra hoatra anao e.
- An, Azafady ary e, noheveriko fa…
-Tsisy olana ka. An, Mahery aloha no anarako e. Ary ianao, mba iza e?
- Fa aiza isika izao e?
- Tsy misy varavarakely angaha ao aminao ao?
-Aaa, Tsy misy mihitsy ato, aoka aloha.
-Ety ambony sambo itsika izao.
-An, ety ambony sambo? Avelao re aho hody any amin’ny fianakaviako ka! Avelao aho
hidina amin’ity sambo ity.
- Aaa. Manahy mafy aho fa tsy avelan’ireo mpaka ankeriny hidina amin’ity izany ianao. Fa
izao a: mitonia aloha an, dia maka aina tsara.
- Andeha ho aiza ary isika e? iza no naka ankeriny antsika? Inona no antony?
- Ianao izany koa be fanontaniana be loatra ka. Ho fantatrao miandalana eo ihany ny marina,
ho fantatrao hoe iza no naka an-keriny antsika. Ireo bandy ireo aloha dia tsy azo
ifampiraharahana mihitsy fa ny teniko aminao fotsiny dia izao: Mahaiza mifampiraharaha
tsara fa raha tsy izany dia mivadika ry lerony.
- Fa hafiriana aho izao no taty e?
- Tsy haiko, fa izaho koa ange fa tsy mahay andro intsony mihitsy e.
- Fa andro inona isikia izao.
- Omaly izao ianao no nentin-dry zareo tao amin'io efitra misy anao io.




Credit= It is a film with 3D, VFX effects of 90mn, by Thierry ANDRIANASOLO (who gave us his

consent to

show the extract). Andavabiby is the first time a Malagasy native made a film with 3D animation in

Malagasy language. It had been prepared during 2 years by the same author and producer.