....................

....................

samedi 12 mai 2012

lalam-pamonjena in sakalava dialect



the transcript is on the way



Jesosy nanaño angano iraky ka ity indraiky andro:

Andre raiky nisy fañaigana mañangy, (a wedding)

Ka voakaiky tam’izany mañangy folo : (ten girls)

Dimy tam’ireo mañagy ireo adala fa dimy hafa nisy jery. fool/wise)

Izy ireo samy niandry ny mpañenga anôkatra varavaraña trano hañaovana mariazy.

Efa alina ny andra, kanefa tsy avy ny mpañenga. (night)

Ka noho izeñy samy nikarakara ny jirony aby ireo mañangy folo ireo.

Avy eo natoro. (fell asleep)

Kanefa tam’ io lera io ny mañagy dimy nisy jery fo no nañana gasy tamin’ny jirony (petrol)

Fa ny dimy adala, tsy nañana.

Ka raha aliny nisy fe nikaiky nañao hoe: (a voice cried)

“Na’avy ny mpañenga ka miboaha ianareo handray areo”. (come out to meet him)

Samby nifoha aby nanamboatra jirony aby ireo mañagy folo ireo:

Hita tamin’izay fa tsisy gasy tamin’ny mañangy dimy very jery ireto.

Niolomay nividy tantsena ireo mañagy dimy ireo, (run to buy)

kandrefa tamin’iny lera iny indrindra n’avy ny mpañenga

ka nanôkatra ny varavarana hidiran’ireo olona efa vôñona. (opened) (music)

Rah’ avy ny olo, faly aby olo jiaby, nanaraka zeñy, nafody ny varavara. (close)

Iñy am'izay, n’avy ireo mañagy dimy adala kanefa efa nifody ny varavarana. (closed)

Nikaikaiky nañano hoe: “tompoko, tompoko, sokaf’atrano”, kandrefa novalian’ny mpañange hoe:

“Tsy haiko añareo” (I don't know you)

Amy lera tsy haitsika no hipody eto an-tany Jesosy (come back)

Vôñona hanatriak’azy ve ianao? Hoy izy: “mivoñosa indrindra amin’ny lera tsy ampoizinao” (get ready)

Ary hoy Jesosy koa tsy ireo mañano hoe : “tompoko, tompoko, tompoko

No handeha an-danitra, f’izay mañano ny sitrapon’i babako”(myfather)

Voñona hanatrika fihavian’i Jesosy zeñy ve ianao?

Aza mety ankadalainy.

Misy lalaña raika mankany an-danitra, misy lalana iraiky tsy maintsy vonosantsika.

Ambelao amin’i Jesosy ny tokinao, ary izy hanala ny ratsy aminao, ary ny fanahy masiny ho velona ao amponao, am’izeñy, ny fiainanao dia ho feno zaka tsara avy amin-Janahary, am’izeñy vônona hanatrina an’i Jesosy añao rah’avy izy.