....................

....................

samedi 23 juin 2012

INONA ARY IZANY O? WHAT IS IT?


IZA ARY IZANY O?
WHAT IS IT? WHO IS IT?
Read the texts and have a guess, if you don't know, go to the hints.

1-Anti-dahy anankiray efa fotsy volo sy fotsy volombava izato izy ! Efa antitra tokoa no fijeriko azy, nefa mbola matanjaka tsara. Mibaby entana feno kilalao sy vatomamy izy. Iza io?
2-Mahagaga ahy fa mitovy toetra daholo ny……madinika rehetra, na dia samy hafa aza ny volon-kodiny sy ny fiteniny. Samy tia lalao, mahay mihira, tia tantara ary koa mora mifankatia. Iza ireo madinika?
3-Odrey izato haingony! Manaitra ahy ery ilay kintana mamirapiratra ery an-tapony ery! Ary saiky isaky ny tendron-kazo dia misy kintana samihafa soratra avokoa: mena, maintso, vony, manga. Manjelanjelatra avokoa izay rehetra jerena rehetra noho ireto kofehy mamirapiratra mitsoriaka etsy sy eroa. Iza/inona ilay lazaiko eto?
4-Tsitapitapitr’izay dia indro nisy lehilahy antitra efa fotsy volo, lava volombava be, miakanjo mena lava, niditra ny varavarana. Natahotra aho ka lasa nitsoaka. Fa iza ary ity?
AN OBJECT
5-Tànana amin’ny kofehy kely fa raha tsy izany dia lasan’ny rivotra. Fa nahoana kosa ho’aho no tsy mba misavoana ny ahy? Inona ary no mila rivotra?
6-Dia nampandrosoiny tao amin’ny efitra kely dia kely izy. Nony afaka kelikely anefa dia injany tsaroan’ilay zanaky ny mpanjaka fa nidina… nidina ihany ilay efitrano kely ary farany dia nijanona. Inona ilay nihetsika?
7-Natao sava hao eran’ny toerana: novakiana ny varavarana rehetra, tsy nisy nasiana efitra tsy nosavaina. Inona no nosavaina?
A DAY OR A SEASON
8-Mifanao fanomezana amin’io andro io fa ravoravo ny fo sy ny saina. Ny zanaka lasa manatitra “solombodiakoho” ho an’ny ray aman-dreny sy ny zoky. Ny ray aman-dreny kosa mamaly izany ka manome “solom-penakoho” ho an’ny zanaka. Andro inona io?
9- Avy hatrany dia be fiavy ny orana. Tsy maintsy mihazakazaka mamonjy fialofana ny olona sendra mitaredretra tany rehetra tany. Miriadriatra ny varatra, ary tsy azo atao ny mialoka eny am-bodihazo, fa halam-baratra ireny. Feno riaka ny lalankely, ary toy ny notondrahana avokoa ny zava-maniry rehetra. Fotoan'andro inona io?
10-Be loatra ny ranonorana sady nisy zavadoza indroa misesy tany amorontsiraka atsinanana. Tondraka avokoa ny renirano sy ny ony. Vaky ny fefiloha. Safotry ny rano ny tanàna. Simba ny voly, ary marobe ny olona tsy nanan-trano intsony fa lasan’ny ranobe. Inona ilay zavadoza?
BIBY
11-Isan’ny biby mahagaga tokoa izy, fa raha jerena ny vatany dia tahaka ny jako: manana tànana roa sy tongotra roa misy rantsana izy; ary ny bikany sy ny fombafombany mihanika hazo dia iraisany mihitsy. Raha jerena anefa ny lohany dia samy hafa mihitsy, satria ny endrikiny jako dia mitovitovy amin’ny olombelona ratsy tarehy, fa ny endrik'ity kosa dia tahakahaka ny an’ny alika. Iza ity?
12-Nisy biby iray niantso ny namany: “andao isika samy hatono ka ho hita izay tsy may? Iza ilay nantsoina?

::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::::

Valiny:

Choose one from the choices:
1-ny fakitera/ ingahibe noely/mpaka fako
2- vehivavy/lehilahy/ankizy
3- hazo fihinam-boa/hazo krisimasy/hazolava
4- i dadabe noely/ny mpanao hatsikana/mpanao fampitahàna
5- baolina foty/balaonina/baolina vovotsavony
6- ascenseur/sovalihazo/ balançoire
7- kiraro/trano/tokotany
8-fitsingerenan’ny taona nahaterahana/andro taom-baovao/fiovàna fizaran-taona.
9- fahavaratra/ririnina/lohataona
10-horohoron-tany/ rivodoza/tany mirotsaka
11-saka/bitro/gidro
12-saka/ totozy/voalavo

\\\\\\\\\\\\\\\\

Tena valiny:

1-ighbn/2-ank/3-hkrs/4-iddbn/5-b/6-a
7-trn/8-atb/9-f/10-r/11-g/12-t
All texts taken from Tiako ka vakiko.Rajoelisolo.