....................

....................

samedi 9 juin 2012

Words of Life Malagasy: Betsileo dialect

Betsileo dialect




Ny baiboly de mampianatsa antsika fa re maty ny olo dia ny tena ihany roa maty; fa ny fanahy tsy mba maty akory. Roso agny an-tagny hafa ny fagnahy: na agny an-danitsa na agny amin’ny helo.

Ho velogna mandrakizay ny fagnahy ao amin’ireo tany roa ireo.

Na ho velogna an’ilan’ Andriamanitsa, na hizaly mandrakizay miaraka amy devoly agny amin’ny helo.

Araka izany dia toerana roa mady ro andihanan’ny fagnahy, ary lalana roa mady ro mandeha agny.

Jesosy dia efa nitarogna momba ireo lalagna roa ireo.

Hoy iy: mibetaka ny vavahady sady malalaka ny varavarana mandeha any amin’ny fahaverezana

Ko ho betsaka ny ologna ro ho agny.

Fa kitika ny vavahady ary tery ny lalagna

ho agny amin’ny fiaignana ko vitsy ro mahita azy.

Izany ro tarin’I Jesosy ary izany ry sakaiza no mba lalana eo alohantsika.

Lalana roa mady ro misy amin’izao fiaignana izao: lalagn’ny faharatsiagna sy lalagn’ny fahasoavagna

Hatramin’ny niagntobohan’ny fiaignana dia teo amy lalagna ratsy ro nanomboka nandeha ny olombelona. Ohatsa ny kilonga madinika aby aby dia efa mahafantatsa sahady ny mangalatsa, haigny ny mandenga, masiaka, mitsamanoa, miavognavogna, ary rehe miha-lehibe iy dia, vao maika mahefa raha ratsy noho ireo tahaka ny famonoan’olo, ny halatsa, ny fisotroa-toaka, mangalaka vadin’ olo, sy ny ratsy aby aby toy izany. Izany no raha hita eo amin’ny lalagna ratsy ary ny fihafaran’izany lalagna ratsy izany dia ny amin’ny toerana misy famaizana sy ny fijaliana maharitra mandrakizay.

Izay avy ao dia tsy afaka miala tao koa.

Izao koa ny amin’ny lalagna raika dia ny lalagna soa izay mitondra antsika ho any an-danitsa.

Any an-danitsa dia tsa mba ahitana raha ratsy.

Tsa misy alahelo; tsa misy fahoriana; tsa misy aretina; tsa misy fahafatesana;

tsa misy raharaha ratsy mihitsy ao. Ny raha soa ihany ro hita any an-danitsa.

Ao koa ro ipetsahan’Andriamanitra sady ao koa ro iriany ahitana antsika aby.

Amizao ary ry sakaiza: le tia agnao ny ho any an-danitsa dia tsy maintsy mifidy iagnao ny lalagna izay atoro anao amin’izao.

Ho i Jesosy : Aho ro lalana sy fahamarignana ary fiaignana

Tsa misy olona ho agny amy ray, re tsa amy alalako. Arak’ izany dia i Jesosy

Irery ihany ro lalana, ary tsa misy hafa mihisy. Le tiagnao ro ho avy any an-danitsa dia tokony

hino sy hagnaiky an’i Jesosy ho mpamonjy agnao iagnao.

Reso ny taro ka tateraho amin’ny fonao aby. Ary aoka iagnao

hanaradia an ‘i Jesosy ka hanompo azy amin’ny fiaignanao manontolo.

Mangataha amin’i Jesosy mba hagnala ny fahotagnao.

Ary dia horaisigny tokoa iagnao. Hombanao mandrakariva iiy

Handresy zao fiaignana zao, ary iy ro andray agnao agny an-danitsa afaran’ny fahafatesana.

Koa manampaha hevitsa iagnao amizao.

Maneke an’i Jesosy ho Tomponao dia hovonjena tokoa iagnao dia hagnana fiadam- po sy fifaliana dia manomboka amin’izao fiaignana izao ary ho agny amin’ Andriamanitsa rahatsizay.


Remarks:

* there is no need to learn all the new words, they are only written/ phonetically different but they are the same as the merina words.

For example= lalana= road= lalagna= in the way it is pronounced, there is a prenasalisation -gn- for n; any= agny= tehre; so on


* The finals -tra for merina becomes -tsa for sakalava, final -na sometimes falls like in olona= olo; no =(is) becomes ro; rehefa (when) = re;

* In Betsileo, the sound s (fricative, voiceless ) is very important, tsy=tsa, tsy=sy, mijaly=mizaly (fricative voiced), R is palatal, retroflex; H is always pronounced like in English.