....................

....................

mardi 21 décembre 2021

HAFATRA, of the poet RADO, tonokalon'i RADO, Georges ANDRIAMANANTENA

 HAFATRA 

Ho any inao kanefa...

Aza ataonao fantany 

'zao fahoriako izao. Fa aoka hiafina aminy 

ny ketoky ny jaly 

nanempaka ny aiko, tanatin'ny longoa 

izay namandriany ahy ...

Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina 

fa sempon-tsasak'alina

misaina ity anjarako,

Aza ataonao fantany!



...Raha manontany izy,

iangaviako ianao handainga indray mandeha!

lazao fa nanadino ny momba azy rehetra 

ny saiko manontolo.

"Rakom-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa

natoraky ny Adaoro".

Ireto diary ireto lazao fa efa may 

sy tapitra efa kila...

...Fa ny volofotsiko,

ny ketroketrin'handriko

Afeno dia afeno!

Azonao izany?



Etsy kely koa

hafarako ianao!

Jereo raha sambatra izy! Mba hamantaranao 

dia ireto no fambara:

"Ao an'efintranony: misy voninkazo 

tsy maintsy mavokely...

Eo an-doha-fandriany:

ny sarin'olon-tiany...na iza n'iza izany"

Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy

Ka aza asiana resaka momba ahy akory ,

f'izany rahateo no niriko ho azy...


Izay no hafatrafatro 

ka tazony tsara...Ary dia veloma!

Saingy esty ange!

'Ty tananao ity, aza akasi-javatra

mandra-pifandrain'ny tananao sy ny azy...


Eny e! Ampy izay. Tongava soa aman-tsara!

Dia akatony mora 

io varavarako io 

fa hitomany aho...


RADO (27/1/66)

DINITRA, Tranopirintim-pirenena, Antananarivo, 1980,  pages 75-76

https://fr.wikipedia.org/wiki/Georges_Andriamanantena

https://fr.wikipedia.org/wiki/Liste_d%27%C3%A9crivains_malgaches

https://www.babelio.com/livres/Andriamanantena-Dinitra/788425


Free translation




TELL  HIM



You will go there, however ...


don't let him know


what my misery is. Let  be hidden from him


the intensity of my suffering


which cut off my life in the pit


where he's trapped me ...


The tears of  my heart  silently soak me


by  just  a midnight sigh


when I am thinking  about my part


Don’t let him know about that!




... If he asks about me,


please lie once!


say I forgot about it all


in my whole mind.


“The ashes of the past, now  covered with flowers


were thrown by Adaoro *".


These diaries of mine,  say they are burned down


with  no ashes left...


... But about my white hair,


my forehead wrinkles 


Hide them to him!


Do you understand that?





One more thing,


I entreat you!


Look  if he's fulfilled! To find out,


these are the signs:


“In his room: there are flowers


they must be pink ...


At his bedside:


a picture of his sweetheart ... whoever it is "


If that's what you see, he's already fulfilled


So don't even mention me,


that's what I've wished  for him ...




That is my precious message


so keep to it  ... And goodbye!


But one last thing!


'your hand in mine, don't touch anything with it 


until your hand touches his ...




Yes! That's enough. Go safely!


Then  silently close


that door of mine


because I will cry ...


Adaoro is a malagasy astrological sign, for Taurus, April to May http://motmalgache.org/bins/teny2/adaoro , Adaoro is assimilated to the Sun, like the sun it puts fire on whatever it burns, so the poet is saying it's fate's fault not his,