....................

....................

vendredi 15 juin 2012

Antaisaka/ Antesaka dialect;: ny teny fiainana




Ne lala roy

Ne baiboly da mampianatsa atsika fa raha maty ny olo da ny tenany avao ne maty fa ne fagnahiny tsy maty, fa madia amin’ny toerana hafa ny fagnahiny, na an-danitsa izagny na amy ny afobe. Ho velo mandrakizay ny fanahy amin’io toera roy io, na ho velona anilan’i zanahary, na hizaly mandrakizay miaraka amin’ny devoly amin’ ne afobe. Araka ny voalaza da lala roy ny andehanan’ny fagnahy ary lala roy vao koy ne mandeha agny. Efa nizaka ny momba amin’io lala roy io ny zanaky zanahary. Hoy izy : zakabe ny vavahady ary malalaky ny varangara mandeha amin’ ne fahavereza, ka maro ne olo mandeha agny. Ka kity sady pisa koa ny vavahady mandeha amin’ny fiainana mandrakizay ka vitsy no mahita an’azy. Izao no zakan’i Jesosy : za sahala ny lala misy amitsika amin’ izao fiainana izao da ny lala roy io. Ne lala dia ratsy, dia ne lala tsara. Nanomboka tamin’ny nampisy ny fiainana dia tamin’ny lala ratsy no napisy ny olombelo. Ohatry: ny zaza madiniky dia efa mahafatatry mangalatry, hainy ny mavandy, vinitry, tsy magnaiky, miavognavogna, raha miha olobe dia maika vao mahavita zavatra ratsy koa: mamono olo, mina-toaky, mifoka rongony, anina aby io raha ratsy aby io. Izany tamy lala tsara izany da mandeha amy iny izy sy fijalina maharitra mandrakizay. Ne tonga amin’izany lala izany dia tsa afaka ao mihitsy fa mijaly mandrakizay. Ne ty koa amy ilay lala reiky, da ne lala tsara mitondra atsika amy zanaky zanahary da agny andanitsa izany. Ne agny amy zanaky zanahary de tsy ahita ratsy de kitikity, tsy misy alahelo, tsy misy fahoria, tsy misy arety, tsy misy iza fahafatesana iza fa ne fiainana mandrakizay tonga amignao, ary tsy ahita ratsy ne de raiky, ne tsara avy no hita agny andanitra ka faly aby izay tonga agny, ao no ipetrahan’i zanahary sady agny koa no irigny ahitany atsika. Izay izy saroko: raha tiagnao ny andeha amy zanaky zanahary dia tsy maitsy mifidy isika amy io lala roy io: ne ny ratsy iza na ny tsara. izao no zakain’i Jesosy : iaho no lala hoy izy, tsy misy olo mandeha any amin’ny abako afatsy aminy alalako. Izaho no jiosy, i Jesosy reiky ne lala. Raha tiagnao no tonga any andanitra sy fianana mandrakizay da minoa an’i Jesosy ho mpamonjy. Tano ary ny ezakay aminao ary ekeo amin’ny fonao tanteraky, aoka ianao hanaradia an’ i Jesosy ka anolotry ny fiainanao tanteraky. Mangataka ianao ary Jesosy mba ho raisy ny fonao sady ho raisy ny fiainanao. Momba anao mandrakariva ary Jesosy sady mandray anao ary miamby anao agny ambadika fahafatesana, ka noho izany dia tapahy ny hevitranao fa aza mangataka andro ka mizaka amin ‘i Jesosy hoe: mibaboka aho Jesosy fa mpanota fa nony aminahy no nahafaty anao ka mamelahy ny heloko ary mandray anao ho mpamonjy ne tegnako.

mercredi 13 juin 2012

mardi 12 juin 2012

lundi 11 juin 2012

Expressions and words for future Malagasy missionaries: ho an'ny mpitory teny

Voambolana malagasy ho an'ireo mpitory teny


Andriamanitra Ray
Heavenly Father
Andininy
verse
Apositoly
apostle
Baiboly
bible
Batisa
baptism
Devoly/satana
Devil/demon/satan
Diakona
deacon
Fahafolon-karena
tithing
fahotana
sin
Fanahy masina
Holy spirit
Fanavotana
atonement
Fifadian-kanina
fasting
Fijoroana vavolombelona
Testimony
Fitahiana
blessing
Mifona
To repent
Mijoro vavolombelona
To bear witness
Mino
believe
misionera
missionary
mivavaka
To pray
Mpamonjy
saviour
Mpanavotra
Redeemer
Mpianatry Jesosy
Disciple of Jesus
Mpiangona /mpivavaka
Church members
Pretra
priest
Rahalahy
brother
Rahavavy
sister
Soratra masina
Holy scriptures
Sunday teacher
Mpampianatra sekoly alahady
Testamenta vaova/taloha
Old/new testament
Toko
chapter
Vavaka
prayer
Zanak’Andriamanitra
Son of God

dimanche 10 juin 2012

Fampiasàna



Complete with the new words you have just learned:
1-K………. ve sa vera no isotroana dité?
2-mila asorina ny sagôagany sy ny kira-………..alohan’ny anendasana azy.
3-hihinana tsindrin-tsakafo na d….. avy hatrany sa hihinana
a……. aloha ato amin’ny MacDo?
4-R……………vita amin’ny voasary sa fraizy no hosotroinao?
5-r……sy f………. no atambatra dia manome milk-shake.
6-g…… parfum fraisy sa sôkôla no hohaninao? Ny ahy gatô no desera tiako.
7-s……….vita amin'ny Batavia sa karoty sy laisoa no tianao?
8-v……sa p……….no tsindrin-tsakafo tiana? Tsy tia marikivy aho fa ilay mamy no haniko.
9-p……..royale misy jambô, sampinion sy fromagy ny anahy.
10- n……….an-tànan-tsaka moa dia inona no tohiny?
11-Analana hamohamo dia mitsako s…………..
12-tiako ny misotro k….na d…..miaraka amin’ny mofogasy ny maraina.
13-ovy sy k…..ary selery sy porô no ilaina amin’ny lasopy.
14-Tiako ny misotro l….........fa misy roatra.
15-Ny a….....sa ny atody no tonga tety an-tany voalohany?
16-P…… sa voasary no nomen’i Eva an’i Adama?
17- Inona no desera tianao? Yaourt sa m…….. misy kréma?
18-izaho tia…............endasina, na andrahoana amin’ny akorany.
19-Mila manao sipôro, mihinana v……. dimy sy l…………dimy isan’andro.
20-D……..sa sirô no ampiasaina amin’ny fandraisana?

Valiny:
1-kopy- 2-Trondro-3- desera/abmorgera-4-Ranomboankazo-5-ronono sy fraizy
6-Gilasy- 7-Salady-8-voasary poara?-9-Pizza.
10-Nofokena.-11- siligôma.-12-dite sy kafé
13-Karoty-14-Labiera-15-Akoho
16-Paoma-17-Mofomamy. 18-Atody
19-Voankazo /legioma.-20-Divay

The enigma is: Mba ataontsika ezaka ohatra ny tsy fihinanana siligôma (chewing-gum) ato am-piangoanana )

samedi 9 juin 2012

Voambolana malagasy= malagasy vocabulary= food (sakafo)


VOAMBOLANA MALAGASY







1
2
3
Akoho=chicken
Fromagy=cheese
Kafé=coffee
Karoty=carots
koka kola=coke
labiera=beer
mofomamy=cake
paoma=apple
siligôma=chewing gum
Amborigéra=hamburger
Atody=egg
Desera=dessert
Dité=tea
Divay=wine
Kopy=cup
Legioma=vegetables
Trondro=fish
Voankazo=fruit
Fraizy=strawberry
Gilasy=ice cream
Nofokena=steak
Poara=pear
Pizza=pizza
Ranomboakazo=juice
Ronono=milk
Salady=salad
Voasary=orange




***1***

Words of Life Malagasy: Betsileo dialect

Betsileo dialect




Ny baiboly de mampianatsa antsika fa re maty ny olo dia ny tena ihany roa maty; fa ny fanahy tsy mba maty akory. Roso agny an-tagny hafa ny fagnahy: na agny an-danitsa na agny amin’ny helo.

Ho velogna mandrakizay ny fagnahy ao amin’ireo tany roa ireo.

Na ho velogna an’ilan’ Andriamanitsa, na hizaly mandrakizay miaraka amy devoly agny amin’ny helo.

Araka izany dia toerana roa mady ro andihanan’ny fagnahy, ary lalana roa mady ro mandeha agny.

Jesosy dia efa nitarogna momba ireo lalagna roa ireo.

Hoy iy: mibetaka ny vavahady sady malalaka ny varavarana mandeha any amin’ny fahaverezana

Ko ho betsaka ny ologna ro ho agny.

Fa kitika ny vavahady ary tery ny lalagna

ho agny amin’ny fiaignana ko vitsy ro mahita azy.

Izany ro tarin’I Jesosy ary izany ry sakaiza no mba lalana eo alohantsika.

Lalana roa mady ro misy amin’izao fiaignana izao: lalagn’ny faharatsiagna sy lalagn’ny fahasoavagna

Hatramin’ny niagntobohan’ny fiaignana dia teo amy lalagna ratsy ro nanomboka nandeha ny olombelona. Ohatsa ny kilonga madinika aby aby dia efa mahafantatsa sahady ny mangalatsa, haigny ny mandenga, masiaka, mitsamanoa, miavognavogna, ary rehe miha-lehibe iy dia, vao maika mahefa raha ratsy noho ireo tahaka ny famonoan’olo, ny halatsa, ny fisotroa-toaka, mangalaka vadin’ olo, sy ny ratsy aby aby toy izany. Izany no raha hita eo amin’ny lalagna ratsy ary ny fihafaran’izany lalagna ratsy izany dia ny amin’ny toerana misy famaizana sy ny fijaliana maharitra mandrakizay.

Izay avy ao dia tsy afaka miala tao koa.

Izao koa ny amin’ny lalagna raika dia ny lalagna soa izay mitondra antsika ho any an-danitsa.

Any an-danitsa dia tsa mba ahitana raha ratsy.

Tsa misy alahelo; tsa misy fahoriana; tsa misy aretina; tsa misy fahafatesana;

tsa misy raharaha ratsy mihitsy ao. Ny raha soa ihany ro hita any an-danitsa.

Ao koa ro ipetsahan’Andriamanitra sady ao koa ro iriany ahitana antsika aby.

Amizao ary ry sakaiza: le tia agnao ny ho any an-danitsa dia tsy maintsy mifidy iagnao ny lalagna izay atoro anao amin’izao.

Ho i Jesosy : Aho ro lalana sy fahamarignana ary fiaignana

Tsa misy olona ho agny amy ray, re tsa amy alalako. Arak’ izany dia i Jesosy

Irery ihany ro lalana, ary tsa misy hafa mihisy. Le tiagnao ro ho avy any an-danitsa dia tokony

hino sy hagnaiky an’i Jesosy ho mpamonjy agnao iagnao.

Reso ny taro ka tateraho amin’ny fonao aby. Ary aoka iagnao

hanaradia an ‘i Jesosy ka hanompo azy amin’ny fiaignanao manontolo.

Mangataha amin’i Jesosy mba hagnala ny fahotagnao.

Ary dia horaisigny tokoa iagnao. Hombanao mandrakariva iiy

Handresy zao fiaignana zao, ary iy ro andray agnao agny an-danitsa afaran’ny fahafatesana.

Koa manampaha hevitsa iagnao amizao.

Maneke an’i Jesosy ho Tomponao dia hovonjena tokoa iagnao dia hagnana fiadam- po sy fifaliana dia manomboka amin’izao fiaignana izao ary ho agny amin’ Andriamanitsa rahatsizay.


Remarks:

* there is no need to learn all the new words, they are only written/ phonetically different but they are the same as the merina words.

For example= lalana= road= lalagna= in the way it is pronounced, there is a prenasalisation -gn- for n; any= agny= tehre; so on


* The finals -tra for merina becomes -tsa for sakalava, final -na sometimes falls like in olona= olo; no =(is) becomes ro; rehefa (when) = re;

* In Betsileo, the sound s (fricative, voiceless ) is very important, tsy=tsa, tsy=sy, mijaly=mizaly (fricative voiced), R is palatal, retroflex; H is always pronounced like in English.