Niainga, hono, Ikotofetsy sy Imahakà, ka Ikotofetsy mponina avy any andrefana, ary Imahakà mponina avy any antsinanana. Ikotofetsy moa ‘ndeha hiatsinanana, ary Imahakà kosa ‘ndeha hiankandrefana, ka tafahaona teo an-dohasaha izy roa lahy dia nifampiharahaba.
Imahakà nitondra angady tanimanga voahosotra manjarano, fa Ikotofetsy kosa nitondra goaika tao anaty harona. Nifanantsafa izy roa lahy hoe : « Inona izato entina, raondriana ? » Dia hoy ny navalin’i Imahakà : « angady no entiko, ‘ndeha hatakaloko akoho. » Fa niteny Ikotofetsy hoe : « Ny ahy kosa akoho ‘ndeha hatakaloko angady . » « Raikitra izany », hoy Imahakà, « ka ‘ndeha àry itsizy hifanakalo. »
« Kanefa, hoy Ikotofetsy, » aza sokafanao aty an-dàlana ny harona, fa akoho kaody sady tsy mifatotra, ka andrao rifatra mandositra ka manahirana anao . »
Fa namaly kosa Imahakà hoe : « Angady vao naofana izy, fa vao notainina, ka avelao hiotrika kely aloha, fa aza malaky atombotomboka, fandrao banga. » Dia samy lasa nody izy roa lahy.
Rehefa samy tonga tany an-tranony avy izy, dia nosokafana ny an’Imahakà, ka riatra nanidina ny goaika ; ary nahombo tamin’ny zarany kosa ny angadin’Ikotofetsy, ka nony natontona tamin’ny tany dia torotoro. Dia samy vaky vava hoe izy : « Adray izany hafetsentsika roa lahy izany ! »