....................

....................

vendredi 11 mai 2012

ny Fameno: the complements/objects/predicatives/adverbials




NY FAMENO
THE COMPLEMENTS
(predicatives, adverbials, objects)



Go to this site to know the different notions http://www.learnenglish.de/grammar/sentencetext.htm


Look at this sentence

Mianatra any am-pianarana ny ankizy isan’andro.


If we take out some of the constituents of the sentence, does the sentence mean something yet?


Mianatra any am-pianarana ny ankizy isan’andro.
Mianatra any am-pianarana ny ankizy.
Mianatra ny ankizy.


The basic sentence pattern=verb+subject+(objects)
The intransitive verbs accept the pattern verb / subject
The transitive verbs: verb/object/subject


A- EXERCISE

Look at the following sentences and shorten then to the basic sentence pattern:
1-Tsara tarehy daholo ny vehivavy.
2-Mandeha an-tongotra haingana ny mpiasa.
3-Mimenomenona foana ny mpigirevy, tsy mety faly.
4-Mihinana sakafo betsaka sy ara-dalàna ny mpanao fanatanjahantena.
5-Mijery tele ny olona rehefa hariva ny andro.


1-Tsara tarehy ny vehivavy.
2-Mandeha an-tongotra ny mpiasa.
3-Mimenomenona ny mpigirevy.
4-Mihinana sakafo ny mpanao fanatanjahantena.
5-Mijery tele ny olona.


B-EXERCISE:


Look at the following articles; shorten the sentences as possible without corrupting the meaning.


TEXT 1:
Hoy ny Merina mamaky afisy : "Fampiseoana miaraka amin'i Kika". Ny Betsileo ary koa ny Foko hafa toy ny Antandroy, dia manonona hoe : "Fampisehoana miaraka amin'i Kiaka". Samy hafa mihitsy ny "fandrina" (fandriana, farafara no tena izy) sy ny "fandriana" (fandrihana avy amin'ny hoe mamandrika, ohatra vorona, no tena izy). Samy hafa ihany koa ny "midy" lazain'ny Merina fa mikatona sy ny "mihidy". Sahirana mihitsy isika Merina manonona ny "h" (haintso) ary izany dia noho ny fiheverantsika fa mitovy amin'ny Teny Frantsay, izay betsaka "h tsy tononina" (h muet) ny Teny Malagasy.
(this text was taken from Haisoratra.org)

Answers:

The unnecessary words are deleted, words in brackets replace those deleted for the cohesion of the text.
Hoy ny Merina: "Fampiseoana miaraka amin'i Kika". Ny Foko hafa, dia manonona hoe : "Fampisehoana miaraka amin'i Kiaka". Samy hafa ny "fandrina" (fandriana, farafara) sy ny "fandriana" (fandrihana, mamandrika vorona). Samy hafa koa ny "midy" lazaina fa mikatona sy ny "mihidy". Sahirana (ny) Merina manonona ny "h" (haintso) noho ny fiheverany fa betsaka "h tsy tononina" ny Teny Malagasy.

***---***

TEXT 2
Test: Inona no antony handehananao mivavaka na miangona na mamonjy fivoriana masina rehefa faran'ny herinandro? Tsara ny Tompo
Miangavy antsika aho ry namana mba handray anjara amin'ity test ity, ny tanjona dia mba ny hahafantarantsika hoe inona no solika mampandeha antsika ara-panahy. Tsy misy valiny disoina akory sanatria fa ny Baiboly no entintsika maneho fa misy ny solika tsara kokoa noho ny solika hafa.
Misaotra Mialoha.
(taken from Forum serasera.org)

Answer :

Test: Inona no antony handehananao mivavaka na miangona na mamonjy fivoriana masina rehefa faran'ny herinandro?
Tsara ny Tompo.
Miangavy antsika aho ry namana mba handray anjara amin'ity test ity (isika). Ny tanjona dia mba ny hahafantarantsika hoe inona no (ny) solika mampandeha antsika ara-panahy. Tsy misy valiny disoina akory sanatria fa ny Baiboly no entintsika maneho fa misy ny solika tsara kokoa noho ny solika hafa.
Misaotra Mialoha.
=
Test: Inona no antony handehananao mivavaka?
TsaranyTompo.
Miangavy aho mba handray anjara amin'ity test ity (isika). Ny tanjona dia ny hahafantarana (ny) solika mampandeha ara-panahy. Tsisy valiny disoi akory fa ny Baiboly no entina maneho ny solika tsara kokoa.
Misaotra.

---***---


TEXT 3:
Tsy resy lahatra amin'ny fampiasana ny teny malagasy ireo mpitarika tokony hanabe ny vahoaka. Maro ireo lalàna sy tahirin-kevitra atao amin’ny teny vahiny.
Tsy tia ny azy.
« Tsy resy lahatra amin'ny fampiasana ny teny malagasy izay tenin-dreniny ny fanjakana sy ireo manampahaizana eto Madagasikara. Samy amin'ny teny vahiny avokoa no handrafetana ireo lalàna maro samihafa ampiasaina sy ampiharina eto amin'ny firenena sy ireo tahirim-pahaizana tsy maintsy raketina aorian'ny fahavitan'ny fianarana », hoy Rakotomahafaly Norbert Eugène, mpanoratra boky amin'ny teny malagasy. Omaly tolakandro teny amin'ny ivon-toeran'ny asa fanaovan-gazety malagasy eny Antsakaviro no nanambarany izany.
taken from Lexressdemadagascar 23/02/2012


= Tsy resy lahatra ireo mpitarika. Maro (ny zavatra) atao amin’ny teny vahiny. Tsy tia ny azy. « Tsy resy lahatra amin'ny fampiasana ny teny ny fanjakana sy ireo manampahaizana eto Madagasikara. Amin'ny teny vahiny avokoa no handrafetana ireo lalàna sy ireo tahirim-pahaizana », hoy (ny) mpanoratra amin'ny teny malagasy. Omaly (teny/) Antsakaviro no nanambara izany ( izy).
Lexressdemadagascar 23/02/2012


---***---


TEXT 4:
Mipetraka aty Amerika ny tenako ny marina kokoa aty Texas, mpianatra eo amin'ny 24 eo izahay no aty ary miteny malagasy rehefa mifanena. Maheno anay miresaka @ fitenin-drazantsika ny vazaha dia talanjona, satria lazainy fa toy ny olona mihira hono isika malagasy rehefa miteny sady mahafinaritra hono ny mihaino antsika miresaka indrindra sy mihira. Koa mampirisika ny Malagasy rehetra monina ivelan'ny Madagasikara ny tenako mba hanadratra avo io teny malagasy io fa isan'ny harena iavantsika @ maro izy io
(from Forum madatsara) 
@ means amin'ny =about

Mipetraka aty Texas (aho), mpianatra 24 eo izahay no aty ary miteny malagasy. Maheno anay ny vazaha dia talanjona, satria lazainy fa toy ny mihira hono (ny) malagasy rehefa miteny sy mihira. Koa mampirisika ny Malagasy ivelan'ny Madagasikara ny tenako mba hanadratra avo io teny malagasy io fa isan'ny harena izy io
Forum madatsara