....................

....................

mardi 3 avril 2012

Manokatra kaonty any amin'ny banky: opening a bank account







Manokatra kaonty any amin’ny banky



A-Manahoana tompoko. Saika mba hanokatra kaonty ato amin’ny bankinareo

aho.

B-Tsara izany. Fa efa nitondra ny taratasy fanamarinana rehetra ve ianao?

A-Inona avy moa ny taratasy ilaina?

B- Ny kara-panondro, ny fanamahinam-ponenana, ny fanamarinana ny nahaterahana,

dia mila vola kely apetraka ao koa. Fa inona aloha ny asanao?

A-Mpitsabo nify aho tompoko.

B-Tena tsara izany, inona avy no taratasy efa nentinao?

A-Toa efa nentiko daholo, tompoko.

B-Tsy maninona raha misy tsy ampy fa fenoina miandalana. Ka dia azo sokafana

avy hatrany izany ny kaonty. Fenoy ity taratasy ity,

soraty eto ny anaranao, ny adiresy sy ny vola apetrakao voalohany, dia aza adino

ny sonia. Rehefa avy eo dia mahazo karta sy seky sy ny fanamarinana ny

vola miditra sy mivoaka ianao.