....................

....................

mardi 3 avril 2012

Miantso telefona: miantso antariby: phone calls



Miantso telefona: miantso antariby

Dialogue 1

Allo, ao ve i Alice azafady ?
Tsy ao izy tompoko, fa iza moa izao azafady?
I Peta, namany ihany ity, lazao izy hoe mba antsoy kely hoe I Peta rahariva, veloma tompoko.
Veloma.


---***---

How to call someone
Allo, ao ve i...(name) : allo, is (name) there?
Tsy ao izy: he is not here
iza moa izao? who is calling/speaking?
i...ihany : it is only (name)
lazao izy hoe: tell him that...
mba atsoy kely hoe i (name) : call (name) back please

--****--

Dialogue 2
Allo, ao ve i Vonjy azafady?
Izy ihany ity, fa iza moa izao azafady?
I Lanja, ilay namanao taloha tao amin'i Pata ihany ity e!
I Lanja ve? Ela be izany an...

--***--

izy ihany ity: speaking!
ela be: long time, no see.
Use of "fa" before a question: it attenuates a direct question: and, but, then...
--**--

Dialogue 3:
A- Allo, miarahaba anao tompoko o,
B-Manahoana tompoko o?
A-Ao ve i Josefa e?
B-Ie izy ihany ity, iza moa izao e?
A-I Maria ihany ity e? Ilay namanao taloha!
B-Hay, antsoiko ianao rehefa avy eo fa maika be aho izao. Veloma.
A-Veloma ary e. Rehefa avy eo izany.

---***---

antsoiko ianao: I'll call you back.

---****---
Exercise:
Practise the dialogues, then make your dialogue:

Student A: allo, ao ve... ?
Student B : * absent. Tsy ao........?
* present : izy ihany ity....

---***---
Exercise 2:
Listen to the conversation, tell if the person is there or not.
Questions:

1-Is Patricia there?
A) Ao in Patricia b) Tsy ao in Patricia
2-Solofo called to invite Patricia for
a) Handeha hijery tele b) Handeha hijery cinema
3-He said: a) Asaivo miantso ahy izy b) Antsoiko izy rahariva.

Answers:
1b)-2b)-3a)
---***---
The call:

A-Allo, ao ve I Patricia azafady e?
B-Tsy ao izy, fa lasa nivoaka, fa iza moa izao?
A-Ka izao e, I Solofo ilay namany ihany ity. Lazao izy hoe handeha hijery cinema hoe i Solofo rahariva raha andeha izy? Dia asaivo miantso ahy mihitsy izy azafady raha andeha na tsy handeha? asaivo miantso ahy izy an, miandry ny antsony aho. Ity ny numeraoko: 0 34 56 69 89. Misaotra tompoko. Manao veloma anao.
B-Misaotra anao. Veloma tompoko.