....................

....................

lundi 2 avril 2012

Test 1: reading a malagasy text

TEST 1

ANDEHA HIANATRA IZY DAHY

Raha vao vita sakafo maraina i Solofo sy i Fanja, dia indreny nivoaka ny trano handeha hianatra. (…)

-Aza miherikerika, ry Fanja a! ny làlana ihany jerena.

(…) Efa lasa lavidavitra izy mianadahy. Miherika farany any amin-dreniny izy ( I Fanja) sady manofahofa tànana azy. Valian-dreniny izany.

Dia nahazo hodimirana izy mianadahy. Raha vao nivily anefa izy, dia indro kosa fa nahita namana betsaka. Nisaraka izy mianadahy tamin’izay: i Solofo moa niaraka tamin’ny andian-jazalahy mitovitovy taona aminy, i Fanja kosa niaraka tamin’ny antokon-jazavavy sahalahala habe aminy. Vetivety dia tonga tany am-pianarana ireto ankizy, samy falifaly, samy miramirana.

Régis RAJEMISA-RAOLISON, Etsy babeko, 1974, p 24-25.

---**---

A-Comprehension questions:

1-Where are the children going?

2-Who is the girl and who is the boy? Give the names.

3-Is the mother taking her children to school?

4-Whom do they meet on their way to school? What do they do with these people?

5-Do the brother and sister go to school hand in hand?

B-Underline the reduplicated words and give the root and the affixes.

Example: mikohakohaka: mi-kohaka-kohaka.

C-Find the synonyms

a-Breakfast:

b-look back:

c-wave the hand:

d-corner of the street:

e-friends:

f-smiling:

D-Find the antonyms:

a-niditra:

b-avy nianatra:

c-akaiky:

d-ela:

e-sosotra:

E-Write four sentences about the habits of the children before arriving to school.

I Solofo sy Fanja dia …….. (eat breakfast)

Avy eo dia… ……….. (go to school) izy mianadahy.

I Fanja ………..(wave her hand to mother), manao veloma.

I Solofo sy i Fanja samy ( araka) amin’ny namany avy .

---***---

Answers:

A-Comprehension questions

1-They are going to school.

2-Fanja is the girl, Solofo is the boy.

3-No, she is waving goodbye to them from the frontdoor.

4-They meet schoolmates, and they both join their group of sexe and age.

5-No, each child goes to school with his group.

B-Underline the reduplicated words and give the root and the affixes.

Miherikerika=mi-herika-herika

Lavidavitra=lavitra-lavitra

Mitovitovy=mitovy-mitovy

Sahalahala=sahala-sahala

Vetivety=vety-vety

Falifaly=faly-faly

Miramirana=mirana-mirana

C- Synonyms

a -sakafo maraina

b- niherika

c- nanofahofa tànana

d- ankodimirana

e- namana

f- miramirana

D-Antonyms

a- nivoaka

b- handeha hianatra

c- lavitra

d- vetivety

e- faly

E- Written expression:

I Solofo sy Fanja dia misakafo maraina.

Avy eo dia mandeha mianatra izy mianadahy.

I Fanja dia manofahofa tànana amin’ny reniny, manao veloma.

I Solofo sy i Fanja samy miaraka amin’ny namany avy .