....................

....................

mardi 3 avril 2012

Ny teny Fiainana: Words of Life in Malagasy ( malagasy intonation - stress in the sentence- word stress)




Listening till the end:

When you listen: note down any words you recognize. Don’t think of the graphies, just take notes. Then try to guess the content.

Then answer the questions:

1-What is the video about?

a- fianarana sy sekoly

b- fandrahoana sakafo

c- làlam-pamonjena.

2-Iza no anaran’ny mpamonjy?

a-fiangonana

b- Jesosy Kristy

c-satana

3-Inona no ilaina atao?

a-manda ny famonjena

b- milalao ny famonjena

c- mandray ny famonjena

answers:

1c)-2b)-3c)

Detailed listening:

From 0:00 to 0:25. First read the words,then put them in the gaps when listening:

fahafatesana - mpivahiny- hafa –

rehetra -dia - tany- teraka

Ny olona (1) ………………izay teraka teto ambonin’ny (2)………….. ary mamakivaky izao fiainana izao

dia toy ny (3) ………..anankizay, izay niala tany an-tany lavitra ho any amin’ny tany (4)………..

Toy izany koa isika.

(5)………….eto amin’izao tontolo izao ary mamakivaky ny fiainana mandram-pahatongan’ny (6)…………...

Dia* lavitra dia lavitra koa izany.

Ho an’ny sasany dia maharitra ela tokoa ny(7) ………

Ho an’ny hafa kosa fohy dia fohy.

Answers:

1-rehetra -2- tany-3- mpivahiny-

4- hafa -5 teraka -6- fahafatesana-7- dia.

Dia* = pilgrimage, stressed DI-A (pronounced distinctly di-a: DI-A LAvitr də LAvitr). So remember it is not like the dia: /də/ or mixed with the same dia pronounced ia=e dia=/de/ which means is (ny alika dia biby= the dog is an animal)


--**--

Listen 0:25-0:45

- ota - iray- /fitsaran’Andriamanitra/- làlana.

- /kely indrindra/- mandrakizay.

Nefa ny olona tsirairay dia samy miainga ary mitoetra amin’ny lalana (1)……..ihany

Saingy raha manohy mizotra amin’izany (2) ………..izany izy

Mandrapahafatiny dia hivantana avy hatrany eo anolohan’ny (3) ……………

Eo no hihatra ny famaizana maharitra (4)……………

Masina sy tanteraka Andriamanitra ka mankahala ny (5) …………….sy ny faharatsiana rehetra.

Eny fa na dia ny ……………aza.

1- iray- 2 làlana – 3- fitsaran’Andriamanitra.

4- mandrakizay- 5- ota - 6- kely indrindra

--**--

Listen from 0:46 to 1:25

- faharatsiana- Jesosy- ny voninahitra-

Mankanesa- nanota- fitsaharana -

Izao no vakiantsika eo amin’ny tenin’Andriamanitra:

“Fa samy efa (1) …………….izy rehetra ka tsy manana (2)……………avy amin’Andriamanitra”.

Ny fahontantsika dia tahaka ny entana mavesatra dia mavesatra tokoa izay tsy zakantsika.

Nefa henoy ny tenin’i Jesosy amin’ny olona rehetra:

“(3) …………….aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatr’entana fa izaho no hanome anareo ny (4) ……………”.

maro anefa ny minia tsy mihaino izany teny izany.

Fa mbola manohy mitondra ny entany ihany.

Mbola manao ny(5) …………………….

Manda tsy mety manatona an’Andriamanitra izy ireo nefa moa misy koa ve ny mihaino an’i (6) …………….?

Answers:

1- nanota- 2- ny voninahitra- 3- Mankanesa-

4- fitsaharana- 5- faharatsiana-6- Jesosy

--**--

Listen from 1: 25 to 2:17

/fanahy ratsy/-aho- mihomehy-

sambatra- /hazo fijaliana/- fiderana-

Eny, izaho dia efa nanapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy. Tsara dia tsara ny làlana satria làlana makany an-danitra.

………..sy tretrika izay mandeha amin’izany làlana izany.

Tsy mba atahorany intsony ireo (2) ……………...

Nesorina niala taminy avokoa ireo entam-pahotana izay nanavesatra azy.

Jesosy Kristy mihitsy no nanao izany làlana makany an-danitra izany.

Vitany izany tamin’ny nahafatesany teo amin’ny (3)……………..

Mba hanaisotra ny fahotantsika.

Maty tokoa izy, nefa nitsangana indray tamin’ny maty.

Ankehitriny dia efa napetrako tanteraka tamin’i Jesosy Kristy ny fahatokisako.

Nofidiako ny làlana tsara izay natorony ahy.

Maro no (4) …………….ahy noho izany.

Maro no miezaka hampiverina ahy amin’ny làlana taloha.

Izay feno fahotanan sy tahotra.

Nefa feno (5) ……………..an’Andrimanitra mandrakariva ny foko.

Tsy hiverina ilàlana intsony (6)………….

1- Sambatra- 2- fanahy ratsy-3- hazo fijaliana-

4- mihomehy-5- fiderana- 6- aho.

--**--

Listen from 2:20 to the end

- mitondra- hanaisotra- tsara - fanahiny-

faharatsiana- fijaliana- halatra- an-danitra- hanova

Ianao izay mihaino ankehitriny,

Tsy mbola mandeha amin’izany lalana (1) ……….. izany:

Heritrereto fa tsy mahita an’izany lalana izany mihitsy ny fahotana: ohatra ny

(2) …………., ny vonon’olona, sy ny fahankahalana, ny fahatezarana sy ny (3) …………..rehetra.

Ilay làlana anankiray anefa dia feno ireo ota ireo.

Koa ilaozy ny làlan-dratsy satria mivarina an’ny amin’ny fahoriana sy (4) ………..mandrakizay izany.

Io no làlan’i satana.

Vonona hiara-dia aminao Jesosy ankehitriny.

Tsy afaka ny ahita azy ianao nefa kosa miara-dia aminao Izy.

Izy no sakaizanao.

Mitoetra mandrakariva ao am-ponao ny (5) …………..

Manakery izy ka maharo anao tsy ho an-devozin’ny ota.

Mizotra amin’izany lalana izany ianao mandrampahafatinao.

Rehefa izany dia Jesosy mihitsy no miandry anao any (6) ………….. Ho velona mandrakizay ao anatin’ny fifaliana ianao miaraka amin’i Jesosy.

Eny ho tanteraka aminao daholo izany raha manapa-kevitra ianao anio ny

hampiditra an’i Jesosy ao am-ponao sy hanjaka amin’ny fiainanao manontolo.

Koa mangataha an’i Jesosy mba (7) ……………ny otanao.

Ambarao azy fa manomboka anio dia hanara-dia azy ianao.

Miara-dia aminao mandrakariva tokoa i Jesosy.

Ka raha sendra lavo ianao, dia izy no hampijoro sy hanohana anao.

I Jesosy no herinao , izy irery no afaka (8)……………anao.

Ho olom-baovao mendrika sy tsara.

Raha amin’ny herin’ny tenanao dia tsy afaka mandeha amin’izany làlana izany mihitsy ianao.

Nefa raha miaraka amin’i Jesosy dia ho azonao atao ny mandeha amin’izany làlana izany

izay (9) ………….ho any an-danitra.

Answers:

1-Tsara - 2- halatra 3- faharatsiana- 4- fijaliana-

5- fanahiny- 6- an-danitra-7- hanaisotra-8- hanova

9- mitondra

--**--

Re-read the script with the pauses; one slash / for slight pause and double slashes // for a longer pause. The word stress is in bold, the stressed word of the sequence is in red:


Ny olona rehetra/izay teraka teto ambonin’ny tany/ ary mamakivaky izao fiainana izao/ dia toy ny

mpivahiny anankiray/, izay niala tany an-tany lavitra/ho any amin’ny tany hafa//.

Toy izany koa isika/: teraka teto amin’izao tontolo izao/ ary mamakivaky ny fiainana/ mandram-pahatongan’ny fahafatesana//.

Dia/ lavitra dia lavitra tokoa izany//.

Ho an’ny sasany/ dia maharitra ela/ tokoa ny dia//.

Ho an’ny hafa kosa/ fohy dia fohy//.

Nefa/ ny olona tsirairay/ dia samy miainga/ sy mizotra/ amin’ny lalana iray ihany/

Saingy/ raha manohy mizotra amin’izany lalana izany izy/mandrapahafatiny/ dia hivantana avy hatrany/ eo anolohan’ny fitsaran’Andriamanitra//.

Eo no hihatra/ ny famaizana/ maharitra mandrakizay//.

Masina sy tanteraka Andriamanitra/ ka mankahala ny ota/ sy ny faharatsiana rehetra//.

Eny/ fa na dia ny kely indrindra aza//.

Izao no vakiantsika eo amin’ny tenin’Andriamanitra/:.

“Fa samy efa nanota izy rehetra/ ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”.

Ny fahontantsika dia/ tahaka ny entana mavesatra dia mavesatra tokoa/ izay tsy zakantsika/

Nefa/ henoy ny tenin’i Jesosy /amin’ny olona rehetra/:

Mankanesa aty amiko/ ianareo/ izay miasa fatratra/ sy mavesatr’entana/ fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”.

Maro anefa/ ny minia tsy mihaino/ izany teny izany/

Fa mbola manohy/ mitondra ny entany ihany/ eo amin’ny lan’ny faharatsiana//.

Manda/ tsy mety manantona an’Andriamanitra izy ireo/ nefa moa/ misy koa ve ny mihaino an’i Jesosy?//

Eny/ izaho dia efa nanapa-kevitra/ ny hanaraka an’i Jesosy//. Tsara dia tsara ny lana/ satria

lana mankany an-danitra//.

Sambatra sy tretrika/ izay mandeha amin’izany lana izany//.

Tsy mba atahorany intsony/ ireo fanahy ratsy//.

Noesorina niala taminy avokoa/ ny entam-pahotana/ izay nanavesatra azy//.

Jesosy Kristy mihitsy/ no nanao izany lana makany an-danitra izany//.

Vitany izany/ tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana/mba/ hanaisotra ny fahotantsika//.

Maty tokoa izy/ nefa/ nitsangana indray/ tamin’ny maty//.

Ankehitriny dia efa/ napetrako tanteraka/ tamin’i Jesosy Kristy ny fahatokisako//.

Nofidiako ny lana tsara/ izay natorony ahy//.

Maro no mihomehy ahy/ noho izany//.

Maro no miezaka/ hampiverina ahy/ amin’ny lana taloha / izay feno fahotana/ sy tahotra//.

Nefa/ feno fiderana an’Andrimanitra mandrakariva/ ny foko//.

Tsy hiverina ilalana intsony/ aho//.

Ianao/ izay mihaino ankehitriny/, ka/ tsy mbola mandeha/ amin’izany lana tsara izany//:

heritrereto fa/ tsy mahita an’izany lalan’i Jesosy izany mihitsy/ ny fahotana//: toy ny /

halatra/, ny vonon’olona/, sy ny fahankahalana/ , ny fahatezerana sy ny faharatsiana rehetra//.

Ilay lalana anankiray anefa dia/ feno ireo ota ireo//.

Koa ilaozy ny lalan-dratsy satria/ mivarina an’ny amin’ny fahoriana sy fijaliana mandrakizay izany//.

Io no lalan’i satana//.

Vonona hiara-dia aminao Jesosy/ ankehitriny//.

Tsy afaka ny ahita azy ianao/ nefa kosa miara-dia aminao Izy.//

Izy no sakaizanao//.

Mitoetra mandrakariva/ ao am-ponao ny fanahiny.//

Manakery izy/ ka maharo anao tsy ho an-devozin’ny ota//.

Mizotra //amin’izany lana izany ianao mandrampahafatinao//.

Rehefa izany/ dia Jesosy mihitsy no miandry anao any an-danitra/ ary dia ho velona mandrakizay/ ao anatin’ny fifaliana ianao/ miaraka amin’i Jesosy//.

Eny /ho tanteraka aminao daholo izany/ raha manapa-kevitra ianao anio /ny

hampiditra an’i Jesosy ao am-ponao/ sy hanjaka amin’ny fiainanao manontolo//.

Koa mangataha an’i Jesosy mba hanaisotra ny otanao//.

Ambarao Azy fa/ manomboka anio/ dia hanara-dia Azy ianao//.

Miara-dia aminao/ mandrakariva tokoa i Jesosy//.

Ka raha sendra lavo ianao/, dia izy no hampijoro/ sy hanohana anao//.

I Jesosy no herinao , izy irery no afaka hanova anao.//

Ho olom-baovao/ mendrika sy tsara.//

Raha amin’ny herin’ny tenanao dia/ tsy mahay mandeha amin’izany lalana izany mihitsy ianao//.

Nefa raha miaraka amn’i Jesosy dia/ ho azonao atao ny mandeha amin’izany lalana izany/

izay mitondra ho any an-danitra//.