....................

....................

dimanche 8 avril 2012

Mividy billet avion = tapakilam-piara-manidina= buying an air ticket



Mividy billet avion


A-Manahoana tompoko. Inona ny anao izay?
B-Ohatrinona kay ny billet makany Soisa, azafady?
A-Rahoviana ny handeha?
B-Amin’ny herinandro ambony.
A-Olona firy? Olon-dehibe ve sa misy ankizy?
B-Olon-dehibe roa ihany.
A-Toerana kilasy mpandraharaha, anelanelany sa kilasy ekonomika?
B- Izay mora ihany ka, fa tsy asiana fijanojanonana fa avy hatrany dia direkta ny vôl raha misy?
A- Ny billet direkta dia lafo be, fa tsy maintsy mandalo atsy La Réunion daholo. Tsy mijanona ela anefa, fa enina ora fotsiny.
B- ah?! aleo direkta na lafo aza ka!
A- Ka dia folo tapitrisa ariary izany no vidin’ny billet.
B- raikitra, azo aloha tsikelikely ve ny vidiny?
A-Azo aloha in-telo ny vidin’ny billet ka. Fa ny voalohany dia tsy maintsy vola, aloha vola fotsiny. Ka ity izany ny billet-nao: amin’ny folo maraina no miala etsy Ivato ny avion, ary tsy maintsy tonga ora roa mialoha mampiditra ny entana. Ny toeranareo dia kilasy ekonomika, manakaiky varavara-kely, tsy mijanona fa avy hatrany dia makany Soisa avy hatrany. Soava dia.
B-Misaotra, veloma.


---***---
The language patterns:
- Ohatrinona kay ny billet makany…: how much is a plane ticket for the destination of…
-Rahoviana ny handeha? When are you planning to leave?
-Olona firy? Olon-dehibe sa misy ankizy? How many people ? Adults or children ?
-Toerana kilasy mpandraharaha, anelanelany sa kilasy ekonomika? Business class, second or economic class?
- Ka dia (roa tapitrisa= izao =that) ariary izany no vidin’ny billet. The price is…..ariary
-azo aloha tsikelikely ve ny vidiny? Can I pay by mensualities?
-Azo aloha in-telo ny vidin’ny billet ka. You can pay in three times
-amin’ny folo maraina no miala etsy Ivato ny avion,the plane takes off at…
-ary tsy maintsy tonga ora roa mialoha mampiditra ny entana. You must register two hours earlier
- Soava dia. Have a good trip.