....................

....................

vendredi 24 février 2012

Rasoa, Nenibe




Rasoa (female)

Ramatoa Rasoa dia vehivavy eo amin'ny telopolo taona eo ho eo. Tsy lava tsy fohy izy fasalasalany; tsy vaventy tsy mahia fa antoniny, ary tsy mainty tsy fotsy fa zarazara. Nyvolony mainty olioly mipetrapetraka tsara, ny masony baliaka toa feno hafaliana lalandava.
Vehivavy tsara toetra Rasoa: tsy tia adiady izy, tsy tia fosafosa ary tsy tia voaboaka fa ny zanany sy ny vadiny aminy no izao tontolo izao.



Vocabulary
Lava= tall
fohy= short
salasany/ antoniny=medium size
vaventy= fat
mahia=thin
mainty=black
fotsy=white
zarazara=brown
volo= hair
oloily=curly
maso = eyes
baliaka=broad
ady=quarrels
fosa=gossip
voaka= go outside the house (to do something: visits, shopping, ..)









Nenibe (grandmother)

Tsara tarehy i Nenibe raha miolotra aminn'y anabavin'i Dadabe izay miray tanàna aminay koa. Ny volon'i Nenibe dia tapitra fotsy ary loky hatrany izy isaky ny ataonay hoe : " eo esorina ny volofotsinao". Nony injay tarafin'ny jiro solitany na ny fipendrampendran'ny afom-bozaka eo am-patana ny volony dia mangirangirana ery ary hitanay fa mendrika izaitsizy izato endriny miramirana. Manao solomaso fotsy izy, miketrona ny endriny, kanefa, malambolambo symalemilemy kasihana. Manao solonify koa i Nenibe ka tsy mba mikepaka toy ny an'ny antitra sasany ny takolany. Fohifohy izy, mitovy halava amin'i Bodosoa zandriko. Izaho kosa dia efa mihoatra kely azy.

Vocabulary:
tsara tarehy/ mendrika : beautiful
mangirangirana= silver shining
endrika = face
miramirana= smiling
solomaso= glasses
solonify= dentures
takolaka= cheeks
fohy=short