....................

....................

mardi 28 février 2012

TIME EXPRESSIONS: Filazana fotoana

Brigitte: Andray, ary toa i Saholy ary ity ?

Saholy: Ie, manahoana aky? Inona ny vaovao?

B: Vao tonga avy any andafy aho io omaly dia miantsena voan-dàlana entina miverina sahady.

S: Efa firy taona izay aky isika no tsy nihaona?

B: Tsy efa dimy ambifolo taona!!?

S: Ie, tao aorinan’ny fianarana ireny dia tsy nifankahita intsony. Talohan’izany anefa nifanerasera be. Atsy ho atsy dia tsy heno raha tsy hoe maty, ao amin’ny filazana manjo!?

B: Aiza kosa e! Teo anelanelan’ny taona sivifolo sy sivanjato sy arivo ka hatramin’ny taona roa rivo dia mbola nihaona ihany isika fa rehefa avy eo dia very adiresy, tsy hita popoka.

S: Vao tamintsika teny Ankatso ireny dia efa tsy dia nifanerasera firy intsony.

B: Hatramin’ny nivoahan’ny promotion dia tsy nifampiantso intsony e?

S: Ny fotoana farany nihaonana tsy tamin’ny fety faran’ny fianarana iny? (farewell party). Ka hijanona hatramin’ny ohaviana indry?

B: Roa herinandro ihany aho no hijanona eto dia hiverina any andafy indray.

S: Ka ilaina mialohan’izany ny fandaharam-potoana hanaovantsika fotoana e.

B: Ie. Fa amin’izao fotoana izao aloha mbola tsy afaka fa handeha mariazin’ny zanaky ny zokinay amin’ny Sabotsy . Fa raha mbola misy fotoana dia hantsoiko ianao, omeo ahy ny numerao telephone. Indraindray aho mantsy afaka miantso amin’ny finday tsy mandoa vola.

S: Ity ary e. Veloma fa tara fidirana any ampiasana aho.

B: Hatsoiko ianao eo anelanelan’ny amin’ny roambinifolo sy roa ora. Rehefa tsy miantso amin’izay aho, dia manoratra ho anao. Mbola ao amin’ilay adiresin’ny tranonareo taloha ihany? Fa mety tsisy fotoana hihaonana fa mbola ho any Nosibe hanao vakansy indray aho herinandro koa aorinan’ny mariazy.

S: Hay? Tsy maninona ka. Mbola ilay adiresy taloha ihany e.

Veloma ary e.

Veloma mandrampihaona.