....................

....................

jeudi 1 mars 2012

Angano sy arira NY RANTSANA DIMY




NY RANTSANA DIMY


Samy manana ny heviny, hono, ny rantsana dimy, toy izao : Hoy ny ankihikely : « Noana aho izany »,

Namaly kosa ny manaraka hoe : “ Noana ka no tsy mangalatra?”

Fa hoy kosa ny manaraka: “ Mangalatra ka tsy very?”

Dia hoy ny fanondro: “Very ka tsy avotana”

Fa hoy kosa ny ankihibe : “Hihatakataka aho fa olon-dehibe”. Izany hono, no nampisaraka ny rantsana ho dimy sy nahatonga azy ho lava sy fohy. Ny ankihikely no kely dia noana lalandava; ny manarakaraka sy ny fanondro no fohy dia botrin’ny sain-dratsiny, ary ny ankihibe sy ny tondro ampovoany no lava sy lehibe, noho ny hamarinany.