....................

....................

mercredi 28 mars 2012

malagasy reduplication : teny verindroa

Read the text where reduplicated words are put in purpose:


Omaly izahay dia nandehandeha, nitsangatsangana. Nanendinendy mofo, nisotrosotro ranom-boakazo aloha ary nihinankinana tsakitsaky vao nivoaboaka ny trano. Avy eo dia nijerijery vitrines ary nividividy entana teny antsena. Lafolafo ihany ny vidin’entana ka tsy azo atao ny manaonao foana na mividividy matetitetika fa miheritreritra tsara vao mamoboaka vola. Ny entana azo koa tsy azo solosoloina raha ohatra ka metimety ho kelikely na lehibebe kokoa no tena nilaina, sady tsy afaka miverimberina nefa tsy hividy. Vola eo amin’ny telo arivo eo (ho) eo vao manomboka mahazo zava-javatra tsaratsara. Mitsikitsiky ery ny olona, falifaly rehefa avy mividividy izay tiany. Misy anefa ny sahisahy mividividy ka tsy mba mihafihafy ka noho izany dia mindrakindram-bola etsy sy eroa.

Elisanne R. (2012)

---


The same text without the duplication:

Omaly izahay dia nandeha nitsangatsangana*. Nanendy mofo, nisotro ranom-boakazo aloha ary nihinana tsaky vao nivoaka ny trano. Avy eo dia nijery vitrines ary nividy entana teny antsena. Lafo ihany ny vidin’entana ka tsy azo atao ny manaonao* foana na mividy matetika fa miheritreritra* tsara vao mamoaka vola. Ny entana azo koa tsy azo soloina raha ohatra ka mety ho kely na lehibe kokoa* no tena nilaina, sady tsy afaka miverina nefa tsy hividy. Vola eo amin’ny telo arivo eo (ho) eo vao manomboka mahazo zavatra tsara. Mitsiky ery ny olona, faly rehefa avy mividy izay tiany. Misy anefa ny sahy mividy ka tsy mba mihafy ka noho izany dia mindram-bola etsy sy eroa.


*These are words in the reduplicated form mostly.

- nitsangana: to stand up: nitsangatsangana: to roam

- manao: to do something, to make love, so as to avoid the misunderstanding the duplicated form is used to mean "to do stupid things": "manaonao foana" (and not manao foana: to make love often*

- miheritreritra: to think

- kokoa: an adverb of comparison


free translation:

Yesterday, we went out, for a walk. Before we started out, we first fried some kind of pancakes, drank some fruit juice, ate some appetizers. Then we went to look at some storefronts, and bought something at the market. The prices were high, so it is not advisable to buy anything or to do shopping often, but you must think over the purchase before paying, because once you have bought an item it is not allowed to exchange it, for example if you want something a bit smaller or bigger, anyway you could not come back often if it is not for buying.

It is only starting from three thousand ariary that you can have a decent thing.

People are glad and they smile when they have made their shopping. However there are people who dare to buy anything at any price without sparing money, but in that case they have to go everywhere to borrow money.

Elisanne R.(2012)

----